Nanazava ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tonga ny fotoana tsy azo ihodivirana hirosoana amin’ny fifidianana madio, eken’ny rehetra ary mangarahara. Anisan’ireo efa miomana amin’izany izy ireo ka antony nialan’ny Tim tao amin’ny vovonana Firaisankina, araka ny nambarany ny zoma teo.
Noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama teny Mahazoarivo, ny zoma teo ny ambasadaoron’i Maraoka, Benjilany Mohammed. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Voatsiahy fa miditra amin’ny dingana vaovao ny fifandraisana iraisam-pirenena mifototra amin’ny fifampitokisana sy ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Nanao hetsika fitakiana ny fialan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala ny fikambanana Hope-Ami, ambany tanàna miray. Nohitsin’izy ireo fa lany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny mpitantana ny CUA. « Miala manaraka an-dRajoelina any ny ben’ny Tanàna », hoy izy ireo. Nanome fe-potoana hatramin’ny anio izy ireo manoloana izany.
Namaly bontana ny fitakian’ny sasany ny fanesorana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ny sendikan’ny mpiasan’ny kaominina, SMKAR. Nambaran’izy ireo fa tsy mpiasan’ny kaominina ireo nanao hetsika ireo. « Tsy azo ekena ny fanesorana ny ben’ny Tanàna sy fametrahana PDS. Takianay kosa ny hanesorana ireo mpiara-miasa aminy », hoy izy ireo.




