KMF/Cnoe : “Mila hanaovana fitsirihana ny andrimpanjakana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny hitsirihana ny sehatra rehetra. “Miantso ny handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fitsirihana ny fitantanana ny raharahan’ny andrimpanjakana rehetra sy ny governemanta izahay”. Io ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, tarihin’ny filoha nasionaliny, i Name­arison Robert, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Efa namoaka fanapahana ny Praiminisitra, saingy ny governemanta no noresahiny. Mila itarina hatrany amin’ny andri­mpanjakana izany. Afa-manao izany ny Filankevi-panjakana, ny fitsarana misahana ny kaonty, ny fitsarana momba ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana…
Tokony hambara amin’ny fomba mangarahara ny vokatry ny fanadihadiana hisorohana ny savorovoro. Tsy hatao ny fomba hoe misokatra ny fanadihadiana, dia vita hatreo ny raharaha. Mbola any, ohatra, ny raharaha momba ny “écran plat”, ny “bonbon suce­tte”… Rehefa hanadio ihany, sokafy ny fanadihadiana momba an’ireny, hambara amin’ny olom-pirenena ny tena zava-misy marina. Maro ireo volamena tratra tany ivelany, ka naverina teto Mada­gasikara: aiza izy ireny?
“Tsy valifaty akory ny fanaovana fanadihadiana, fa filazana ny tena marina mba hisitrahan’ny Malagasy ny zony”, hoy ry zareo. Zo mahafantatra ny zava-misy marina eto amin’ny firenena izany. Na iza na iza manao fahadisoana, mendrika azy ny saziana. Tsy hoe tonga dia saziana izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Tsy mety ny famaliana faty. Na izany aza, maniry ny hisian’ny fitoniana sy ny fifampihainoana ary mampiomana fa tsy mora ny miandry ny tena amin’izao. Nefa izay finiavana izay no Mada­ga­sikara vaovao.

R. Nd.

Partager sur: