Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana « Muay Thai Tournament 3 » amin ‘izao fotoana izao, ny mpikarakara. Anisan’ny ady hafana amin’io, ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg lehilahy. Mpikatroka manana ny maha izy 3 lahy no hifanandrina amin’izany, hahitana an’i Lahatra (Tiger’s), i Gael (Toamasina) ary i Tahiana (Phoenix Antsirabe). Ny 23 novambra izao no hanatanterahana ny fifaninanana any amin’ny Arena Toamasina.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’olon-tokana, sokajy, Cadet, Junior ary Senior. Mpikatroka avy amin’ny ligy 21, manodidina ny 400 no tonga tany an-toerana nifaninana. Nisy ihany koa ny fivoriam-be notanterahina, nialohan’ny fifaninanana izay natrehan’ireo ligy rehetra. Nahafa-po ny vokatra raha ny nambaran’ny filohan’ny ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile, ary manana taniketsa maro ny taranja karate, indrindra eo amin’ny sokajy Cadets.
Hotanterahina any Dakar, Senegal, ny lalao olympika ho an’ny tanora, ho an’ny taona 2026. Efa fantatra ny daty ka ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra izao no hanatontosana izany. Ity ny fifaninanana olympika voalohany izay ho tanterahina aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Atleta latsaka ny 18 taona miisa 2700 (1400 zazalahy sy 1400 zazavavy) no ho avy amin’ity hetsika goavana ity. Notontosaina ny 31 oktobra lasa teo, ny “Festival Dakar 2026” nanolorana izay ho “mascotte” amin’ity andiany faha-7 ity.




