Niverina ny Sehatra BaGasy. Noho ny tranga nisy teto amin’ny firenena. Nisy fiatoana tao anatin’ny volana vitsy ireo hetsika fanaon’ny Sehatra BaGasy. Ny sabotsy 1 novambra teo no niverina izany ka ny « Atrikefa malalaka » no nisantarana ny volana novambra, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Fifampizarana sy fifanakalozana traikefa (fahaiza-mihira, mitendry, tantara…) no natrehin’ireo tonga teny an-toerana.
Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nodimandry, omaly 2 novambra, teo amin’ny faha-36 taonany i Rafdwise Franck Sylvain Bachilard, fantatry ny mpitia sarimihetsika malagasy amin’ny solonanarana « Petit » na ny anarana « Franck ». Anisan’ireo nandrafitra ny ekipan’ny Scoop Digital i « Petit ». Nahafantarana azy ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena (rugby). Mpikambana ao amin’ny Club supporteur Makis de Madagascar i Franck. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.
Manamaivana ny hasin’ny saripika ny finday ? Fanontaniana anisan’ny nisongadina nandritra ny fanehoan-kevitra notontosain’ireo manam-pitiavana maka saripika. Raha ny vanim-potoana ankehitriny, sarotra ny hanakana ny haitao. Saingy, raha tafahoatra ny tokony ho izy ny sary alaina amin’ireny finday ireny. Mivadika ho « hafahafa » indray. Ohatra, ny lokon’ny bozaka maitso, manjary mamiratra tahaka ny masoandro. Niraisan’ny rehetra kosa, anefa, ny filazana fa : « izay mahay maka sary amina fitaovana tsotra kanefa mahatafavoaka izay ilaina no ambara fa mahay maka sary.




