Fomba no hatao. Famerenan-kasina ny rovan’Antananarivo no hotontosaina, tarihin’ireo mpitan-kasina sy mpandala ny fomba malagasy. Hanasana ny rehetra kosa izany.
6 novambra 1995 – 6 novambra 2025. 30 taona ilay andro maizina, nahamay ny Rovan’Antananarivo, nisy ny Lapa Manjakamiadana sy ireo lapa hafa, ny fiangonana tranovato ary ireo fasan’ny mpanjaka. Naharitra ny fanarenana, araka izay nifanandrify tamin’ireo mpitondra fanjakana nifandimby izany. Ny taona 2023 no vita amin’io endriny vaovao io Anatirova, izay manana rafitra misahana azy manokana amin’izao.
Nandritra ny taona maro, efa nahatsapa fanotana fady sy fanimbazimbana ny hasin’ Anatirova ireo mpandala ny fomba malagasy. Misy ireo nilaza fa efa tamin’ny andron’ ny mpanjaka Ranavalona III sy ny praiminisitra Rainilaiarivony no nanomboka izany, nitohy nandritra ireo Repoblika nifandimby, nandalo ny nahamay tanteraka ny rova ka hatramin’izao.
Efa fotoana ela no nikononkonona ny famerenan-kasina ny Rovan’Antananarivo ireo mpitan-kasina sy mpandala ny fomban-drazana, amin’ny maha toerana mirakitra sy mitahiry ny tantaran’i Madagasikara azy. Niandry ny tononandro, ka dia latsaka fenomanana ihany koa ny 6 novambra amin’ity, andro mety indrindra amin’ izay famerenan-kasina izay. “Tononandro tsara indrindra hanandratantsika ny hasin’ny rova, ho mariky ny fahafenoan’ny fiandrianany, mba ho feno ny hasiny, mba hitondra fahazavana toy ny fenomanana ho antsika Malagasy rehetra”, hoy ny fanazavan’ny Vondrona tsy mamorona fa Mamelo-maso, izay anisan’ ireo hitarika ny fotoana amin’ io alakamisy 6 novambra io.
Antony iray nisafidianana ny datin’ny 6 novambra ny tononadro mety. Fa teo koa ilay hoe “eo amin’ny nahalavoana no hiarenana”. Ankoatra izay nifanandrify ihany satria ny 6 novambra ilay fahatsiarovana ratsy ho an’ny Malagasy, izay mamerina tadidy ny nahamay an’Anatirova.
Mitarika ihany, hanao ny fombafomba famerenan-kasina ny vondron’ireo mpitan-kasina. Hasaina kosa ny Malagasy tsivakivolo izay afaka hanatrika izany fotoan-dehibe izany.
Zo ny Aina




