Niakatra lenta ambonimbony kokoa ilay tantara tsangana noravahina hira, mitantara an’i Alladin, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Niavaka ny fandrindran’i Betia azy, ka nampiaina toy ny tena izy anatin’ny tantara koa ny hira sy soradihy nentin’i Ando Malalatiana. Efa matihanina ireo mpisehatra, ary tsy nataon’ny Okalou ambanin-javatra ny ravaka sy ny fitafana an-tsehatra, nanakaiky ireny seho any an-dafy ireny.
Nodimandry i Volamaro, mpandihy sy mpihira ao amin’ny tarika Rakoto Frah Junior. Iray amin’ireo zafikelin-dRakoto Frah izy, izay nanara-dia teo amin’ny tonton’ny vakodrazana. Mifanentana ireo mpanakanto mpanao vakodrazana, hamangy ny fianakaviana sy ny tarika nisy azy.
Hitohy ny sabotsy 8 novambra izao ny atrikasa ho an’ny fanoratana tantara. Hizara ny traikefany etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, manomboka amin’ny 2 ora, Randriamanantsoa Ludovic Rianando. Ny momba ny fomba fitantarana mihitsy no hovelabelariny mandritra izany. Mety avokoa na ho an’ireo manoratra amin’ny teny malagasy na ireo amin’ny teny frantsay izy ity. Ny Opération Bokiko no mikarakara ny atrikasa.




