Vahoaka hendry

 

Tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny, hoy ny mpanao politika iray izay. Tsy misy ny resy tsy miady, fa tsy misy koa ny mandresy tsy miady. Mila miady amin’izay mahazo azy ny vahoaka? Indrindra amin’izay zo fototra tokony hositrahany. Toy izany koa ny amin’izay nampanantenaina na fanambin’ny mpitondra hoe (h)atao… Izay no hoe vahoaka tompom-pahefana? Tompon’ny teny farany… Na ahoana na ahoana, misy fatrany sy fetrany izay ao anatin’ny hoe fanjakana tan-dalàna. Araka ny lalàna izay lazaina sy atao, tsy andehanana na iboriahana any amin’ny baranahiny. Na any amin’ny hoe tany tsy misy fanjakana na lavitra fanjakana…
Araka izany, mila mitandrina sy malina ny vahoaka. Ndrao mandeha na mibirioka any amin’ny tsy izy tokoa… Ataon’ny sasany fitaovana politika na tohatra fiakarana, ohatra. Na mandrora mitsilany na manimba tena amin’ny famotehana soa iombonana… Izay no anisan’ny mahatonga ny hoe sasatry ny miarina? Ny tena ihany no ho tratrany… Ndeha handroso iray mandingana, fa mihemotra dingana roa? Mila lanjalanjaina izay lazaina sy atao: ndrao tsy mahasoa, tsy mampandroso… Tsy afa-bela amin’izany koa ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Mahalala ny vahoaka sy izay manahirana azy, ny hetahetany sy izay mety ho vitany…
Ny Malagasy, ohatra, tsy manaiky matoa tsy miteny ao anaty lambany. Tsy hoe manaiky lembenana rehefa mangina sy tsy mihetsika. Izay no anisan’ny nahavoafitaka ny mpitondra sasany nifandimby? Namita-tena amin’izay heverina sy lazaina ho fahendren’ny vahoaka tsy mihetsika sy tsy miteny… Loza rehefa mitroatra? Na rehefa feno ny kapoaka… Hararaotin’ny sasany, lasa tohatra fiakarana… Tena mifankahalala ve ny vahoaka sy ny mpitondra? Indrindra eo amin’izay lazaina sy atao…

R. Nd.

Partager sur: