Handefa iraka ho avy eto Madagasikara ny eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA). Hanelanelana sy hitady vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny sazy ho an’i Madagasikara.
Ho avy indray ny iraka manaraka. Notendren’ ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ho iraka manokana ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ny mpanolotsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, i Mohamed Idriss Farah, avy any Djibouti.
Andraikitra hosahaniny amin’izany, miaraka amin’ireo delegasionina hotarihiny, ny hanamafisana ny fifampiresahana amin’ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ny firaisamonim-pirenena, ny mpitarika ny tanora. Eo koa ny ho fihaonan’izy ireo amin’ny antoko politika mba hiverenana amin’ ny voafaritry ny Lalàmpanorenana eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Hamafana ny sazy iraisam-pirenena
Efa nilaza ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine, ny alatsinainy teo, tamin’ny fananganan-tsaina fa vaindohan-draharaha ny hamafana ny sazy iraisam-pirenena. Anisan’izany ny avy amin’ny UA, taorian’ny 14 oktobra nandraisan’ny Kly Randrianirina Michaël ny fitantanana ny firenena. « Aoka hifampitantana hanao ny hetsika ara-diplaomatika rehetra hanohizana ny fifandraisana iraisam-pirenena ka hamafana ny sazy mihatra amintsika isika », hoy izy.
Etsy andaniny, andrasana ato ho ato ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny Troika (Sadc) momba ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara, taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny irak’izy ireo teto, ny volana okrobra teo.
Synèse R.




