Fanabeazana : Mila averina ny fitantarana…

Fanavaozana sy fiverenana any amin’ny fototra ary fanabeazana. Anisan’ny nampilentika ity firenena ity ny tsy fananana na tsy fahitana mpanabe vanona sy natao ho fitaratra. Raha ireny no mipoitra sy afaka manatanteraka ny adidiny, hanana ny maha izy azy indray ny Malagasy sy ny taranany. Hiaina ny « fanahy no olona ». Hahafantatra indray ny « ratsy atao manody, tsara atao manody », sns.
Mba hahatongavana amin’ireny. Mila haverina ny fitantarana angano, arira, tantara, sns. Tsy voatery hamorona fa na ireo teo aloha aza no haverina ho ren’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora. Azo antoka fa hanana ny hasiny eo anivon’ny fiarahamonina ny soatoavina malagasy. Ho fantany fa nisy izany « trano atsimo sy avaratra » izany. Misy izany « Zanahary eo an-tampon’ny loha » izany …
Maro, anefa, ireo raiamandreny na ray aman-dreny tsy mahay na tsy mahafantatra na tsy mahatahiry ireny angano na arira na tantara, sns, ireny. Azo atao tsara ny mamaky boky. Hampirisihina ny zaza hamaky boky. Haverina sy omen-danja ao anaty fandaharam-pianarana ny vakiteny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: