FANTINA sy FINTINA

Nesorina tamin’ny toerany ireo tale jeneraly maromaro eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, omaly. Voatendry ho tale jeneralin’ny Sam­pan­draharaham-pirenena miady amin’ny hosoka « Agence nationale anti-fraude » kosa ny Kly Andrianasoavina Charles.

Hanao fitsirihana ireo minisitera sy An­drimpanjakana ny mpisafo raharaham-panjakana (IGE). Haharitra 90 andro izany ka hanombohana ny hetsika ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Hitohy eny anivon’ireo minisitera, ny Fiadidiana ny Repoblika sy ireo ratsamangaika izany.

Hitory ireo nikasa ny handoro ny Lapan’ny Tanàna etsy Analakely ny mpiasan’ny CUA. Nohitsin’izy ireo fa tokony eny amin’ny « Parvis » ny fanehoana hevitra. « Tsy azo idirana an-keriny ny lapan’ny Tanàna. Tsy fanjakan’ny baroa akory eto », hoy izy ireo. Takin’izy ireo koa ny hamerenana ny fananan’ny kaominina lasan’ny sehatra hafa.

Tokony haneho ny tena zava-nisy marina ka nahatonga ireny zava-nitranga teto amin’ny firenena ireny isika, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. « Tanjona amin’izany ny hahafahana miverina haingana ao anatin’ny Vondrona afrikanina (UA) indray », hoy izy.

Partager sur: