Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina : Hafaiganina ireo tetikasa famatsian-jiro sy rano

Fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Io no anisan’ny nifantohan’ny dinika teo amin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, i Roland Kobia sy ny praimanisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly.

Voaresaka tamin’izany ny amin’ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nampahafantarin’ny vahiny ny fikasan-dry zareo ha­nokatra indray ny famatsiam-bola sasany, izay voasakana nandritra ny taona maro. Eo koa ny fahavononany ha­nampy ny governemanta malagasy amin’ny sehatra maro. Toy ny fanatsarana ny fitantanana ara-bola sy ny lafiny toekarena ary sehatra sosialy.
Nifanaraka ny roa tonta amin’ny hanafaiganana ny firosoana avy hatrany amin’ireo tetikasa maika: fisitrahana rano madio fisotro, ny jiro sy ny herinaratra, ny fambolena, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa eny amin’ny oniversite manerana an’i Mada­gasi­kara…

Vokatra haingana amin’ireo fifanarahana

Nanome toromarika ny Praiminisitra mba hahazoana vokatra haingana ny fifanarahana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena (APE) eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ny vondrom-pirenen’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (Afoa) izay misy an’i Madagasikara, i Maurice, i Seychelles, i Zim­babwe, La Réunion.
Raha tsiahivina, araka ny fampitam-baovaon’ny serasera eo anivon’ny primatiora: tsy mbola nahazoam-bokatra ireo fifampiraharahana miisa 15 notanterahina teo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo firenena mpikamban’ny Afoa. Anisan’ny tanjon’ny dinika vaovao natao ny hitadiavana vahaolana hentitra sy fomba mahomby hahatanteraka izany ao anatin’ny fotoana voafetra.

R. Nd.

Partager sur: