Fanovana sy fanavaozana no hoe (h)atao amin’izao? Na fanorenana ifotony… Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Misy entim-pahazarana amin’izay lazainy sy ataony. Ahoana no hisian’ny fanovana amin’izany? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vao na mihavao no afa-kanavao. Aiza ho aiza? Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny mpanao politika. Ny mpanao politika saika lazaina mandrakariva fa nanapotika ny firenena sy nanimba ny fiainam-bahoaka. Tsy iza tsy aiza no mihevitra sy miteny an’izay fa ny mpanao politika eto an-toerana ihany. Dia mifanilika andraikitra an-toerana eo ny amin’izay fototra sy fositra amin’izany. Mifanome tsiny, mifampiandry kendry tohina… Izay ilay mpanao politika hatramin’izay? Tsy miova firy… Mandra-pahoviana?
Samy miady ho lohany noho ny adilahy politika efa ho lava, tsy manaiky ho diso fa hoe tsimatimanota… Mahalasa eritreritra, ohatra, ny fisian’ny olom-boafidy nanondrana antsokosoko harem-pirenena arovana nefa nivoaka na navoaka ny fonja fa hoe gadra politika? Toy izany ny amin’ny filazan’ny depiote tsy miankina iray fa nisy ny kolikoly na fampiasam-bola tamin’ny fifidianana ny birao maharitra vaovao eny anivon’ny Antenimierampirenena. Mba marina? Tsy miova ny mpanao politika na ny fomba fanaovana politika. Ny olona fotsiny no mifanala sy mifanolo, fa ny toe-tsaina amam-panao tsy miova. Ahoana na aiza no hisian’ny fanovana sy fanavaozana amin’izany, raha tsy ny olona aloha no miova sy mihavao? Samy (ho)tsaraina amin’izay lazainy sy ataony…
Ny vahoaka no mila malina ny amin’izay marina ny amin’izany, fa miova aloha vao manova. Na izay madio no afa-kanadio, izay afaka amin’ny fomba ratsy no afaka hanafaka ny hafa amin’izany… Ndrao mifamitaka an-toerana? Na handiso fanantenana…
R. Nd.




