TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny hetsika nokasain’ny vovonan’ny Mpitankasina Mijoro eny Anatirova. Saika hanatontosa ny famerenan-kasina ho an’ny Rovan’Anta­nanarivo izy ireo, anio, kanefa tsy nahazo alalana na nanova ny fandaharam-potoana. Misy ihany ny hetsika hatao amin’ny maha andro voatondro azy, saingy any amin’ny toeran-kafa. Nanambara kosa ny mpitanana ny Rova, fa noho ny fanaovana ny fanisana ireo vakoka sy fitaovana rehetra ao no anton’ny fikatonan’ny Rova hatramin’ny rahampitso.

Tsy amin’ity taona ity indray ny sehon’ny Mage 4, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena, tsy afaka nizotra tamin’ny tokony ho izy ny fanomanana ny seho, ka izay no nahatonga ny fanapahan-kevitra, raha ny nambaran’ny tarika. Mampanantena kosa izy ireo fa tsy maintsy hisy ny fihaonana amin’io taona ho avy io, satria fotoana manan-danja ho an’ny Mage 4 sy ireo mpankafy izany. Hisy kosa ny vokatra vaovao maromaro havoakan’ny tarika mandra-pahatonga izany.

Hisy ny fandinihana ny fanavaozana ny tontolon’ny kolontsaina, ny zavakanto ary ny fikajiana ny harembakoka. Hotontosaina ny alakamisy 13 novambra io, amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Havoria Anosy. Hanasan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ireo mpisehatra rehetra izany, izay haka endrika fikaonandoha hamoahana sori-dalana vaovao. Ny isam-paritra kosa dia hotarihin’ny fitaleavam-paritry ny minisitera.

Partager sur: