Famahana krizy – HCDDED: Araka ny hetahetam-bahoaka ny soso-keviny

“Tsy miala amin’ny hetahetam-bahoaka ny soso-kevitra. Mizara dingana telo lehibe izany farafahakeliny”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Filan­kevitra ambony miaro ny de­mokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Rana­dialison Angelo. Taorian’ny fi­tsidihana ara-pomba fifanajana tamin’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Madaga­sikara, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tamin’ity herinandro ity no nanambarany izany. Voalohany amin’izay soso-kevitra izay ny fihaonambem-pirenena. Ny tena tsara: miainga ifotony izany. Maha­sahana ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka malagasy. Miainga any amin’ny kaomi­nina, ohatra, miakatra amin’ny distrika sy ny faritra ary mipaka amin’ny renivohitr’i Mada­gasikara. Mila fotoana lava sy enti-manana izany. Ny fanjakana no mahafantatra izay hoenti-manana hikarakarana an’izay fihaonambem-pire­nena izay.
Ny dingana faharoa, re­hefa voaangona ny antontan-kevitra: izay no havadika ho volavolan-dalàna. Na lalàmpanorenana izany na lalàna hafa, izay miteraka olana eto amin’ny tany sy ny fanjakana: ny lalàm-pifidianana, ohatra. Fanovana no notakina teny an-kianja. Ny dingana farany, ny fiatrehana fifidianana. Raha ny tokony ho izy: ny fi­tsapan-kevibahoaka no ma­nomboka azy. Satria ny lalàmpanorenana no fototra iain­gan’ny lalàna rehetra ampiasaina eto amin’ny firenena. Amin’ny maha rafitra mahaleo tena ny HCDDED, vonona hanolo-tanana ry zareo amin’ ny fikarakarana ny dingana hamahana ny krizy.

R. Nd.

Partager sur: