Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie.
Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny 20 sy ny 21 novambra izao. Efa nikasa ny ho any an-toerana ny tenany tamin’ny fandalovany teto Madagasikara. Tsy tanteraka anefa izany noho ny fotoana nifanindry amin’ny nandevenana ny Papa Fransoa. Izao izany vao tena raikitra ny fitsidihany atsy amin’ity Nosy rahavavy ity.
Nitaky ny fialan’ny ben’ny Tanàna koa ny vahoakan’ny kaominina Andramasina, omaly. Nidina an-dalambe izy ireo nilanja sorabaventy naneho izany. Tanisain’izy ireo amin’izany fa tsy nisy zava-bita tao anatin’ny 20 taona. Manjaka ny kolikoly. Teo koa ny hala-bato tamin’ny fifidianana farany teo…
Nanao hetsika fitakiana ny fialan’ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa « Tota », ny avy amin’ny Gen Z Atsimondrano, omaly. Nokianin’izy ireo tamin’izany ny resaka fitantanana ny kaominina ka nanomezan’izy ireo 72 ora hialan’ ny ben’ny Tanàna. Namory ny mpomba azy sy nanao fotoam-bavaka kosa i Tota tamin’izany.




