Miandriandry manana entina

 

Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. Fanararaotana izao, fotoana… Samy namatrapatratra izay maharary azy avokoa ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Ahoana amin’izay ny famahana olana? Na ny fanatanterahana asa… Misy mandrimandry manana aretina? Na miandriandry manana entina: na olana io, na vahaolana. Iza na inona no andrasana? Mila fandaminana, fanetsehana, fiaraha-mientana… Eo izao?
Amin’izany, mbola misy ny mikisina fatratra amin’ny fanohizana fitakiana na fitokonana, mangataka fifampidinihana, miandrandra fifanarahana… Mandra-pahoviana? Mitady tsy ho fantatra intsony ny hoe inona no atao: famahana olana sa fampikatsoan-draharaha? Ny tao­trano tsy efan’ny irery, tsy vita indray andro. Vao mainka ny hoe fanavaozana na fanovana na fanorenana ifotony… Mandrimandry manana aretina? Na miandriandry manana entina… Mitera-pahavoazana ho an’ny hafa izay ataon’ny tena? Mba tsy hilazana hoe fitiavan-tena… Mila mijery lavitra sy ny hafa amin’izany. Hanao ahoana ny raharaha amin’ny hoe samy maka ho azy na samy manao izay saim-pantany?
Izay no maha zava-dehibe ny hoe tany misy fanja­kana. Fanjakana mijoro sy miasa ho an’ny vahoaka izay antom-pisiany: to teny. Hatraiza ny fifampitokisana? Ndrao sasatry ny miarina… Tsy mety ny mandrimandry manana aretina, fa tsy lasa koa ny miandriandry manana entina amin’izay olana sy vahaolana. Fiovana na fano­vana koa izay? Fa misy ny azo vahana avy hatrany, ao ny mila fifampidinihana, ny miandry fotoana…

R. Nd.

Partager sur: