TARATRY ny KANTO

Nate Tex, ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela tsy tazana an-tsehatra, saingy manohy foana ny mozikany i Nate Tex. Teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika nisy teto amin’ny firenena, amin’ny maha mpanakanto mahatsiaro ho manana andraikitra. Hihaona indray amin’ireo mpakafy azy, ary hizara ny mozikany ranofotsiny i Nate Tex sy ny tariny, anio. Hame­rina ireo hira rehetra nampakatra azy teo amin’ny laza, hatramin’ireo faramparany vao nivoaka.
Antsoina ireo mpanakanto mpaka sary, te handray anjara amin’ny hetsika « SAR’nao ». Manana hatramin’ny rahampitso izay liana hisoratra anarana, ka manodidina ny lohahevitra « Exposition Vision IA » hatrany no handrasana amin’izy ireo. Mety foana na matihanina na tsia, rehefa sady mahafehy ny fakan-tsary no milalao ihany koa ny « intelligence artificielle ». Mbola maharitra mandritra ity volana novambra ity ny iray volan’ny sari­pika, na ny « SAR’nao 2025 ».
« Fahazavana ». Io ny lohatenin’ny fampise­hoana dihy miharo vikina, hataon’ny Traceur Gasy. Anio manomboka amin’ny 7 ora izy ity, ao amin’ny IFM Ana­lakely. Nandrindra ny seho i Faliniaina Antonio, izay nanambatra ny dihy amin’ireo tsambikimbikina hahafantarana ny Traceur Gasy hatramin’izay. Tsy mora ny mandrafitra izany ho seho an-tsehatra, raha toa ka zara toerana ankalamanjana izy ireo hatramin’izay.

Partager sur: