Efa tonga eto ny iraky ny Vondrona afrikanina, Mohamed Idriss Farah. Nitsena azy teny Ivato ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anton-diany eto ny hanelanelana ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, hiverenana amin’ny Lalàmpanorenana. Hihaona amin’ny ankolafin-kery samihafa, tahaka ny nataon’ny iraky ny Sadc izy ireo.
Niresaka ny famahana olana momba ny rano fisotro sy ny herinaratra anaty fotoana fohy ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck, sy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kly Randrianirina Michaël, afakomaly, teny Iavoloha. Voaresaka ny hahafahan’ny vahoaka misitraka izany, araka ny fitakiana teny an-kianja.
Hampahafantarina anio, etsy amin’ny foiben’ny Tim, ny ho mpandrindra nasionalin’ity antoko ity. Hifamotoana eny an-toerana ireo mpikambana rehetra amin’izany. Tsiahivina fa nodimandry ny mpandrindra ny antoko teo aloha, Rakotonirina Jean Claude. Hitarika izao fihaonana izao ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc.
Namaly ny fanakianana azy ny depiote Rafidimanana Desiré, etsy amin’ny boriborintany fahefatra. Nambarany fa tsy mbola nahitana porofo ny amin’ny fanirahana handroba sy hamono olona ary hanakorontana ny tenany. «Ezahina haratsiana izahay ka miantso ny mpitandro filaminana handray andraikitra manoloana izany», hoy izy.




