HCC – filohan’ny repoblika : “Azo atao ny fanemorana ny fifidianana”

Azo atao eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanemorana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, araka ny fanapahana lah. 13-HCC/D3, tamin’ny 6 novambra lasa teo, ny amin’ny fangataham-panazavana ny And. 4 amin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 tamin’ny 14 oktobra. Izany dia noho ny fanamba­ran’ny HCC ihany tamin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 fa taorian’ny fizahana ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika: ao anatin’ny fe-potoana 30 andro farafahakeliny ary 60 andro farafahelany ny fifidianana filohan’ny Re­poblika, araka ny And. 46 sy 47 amin’ny lalàmpanorenana.
Araka ny andininy voalohany amin’io fanapahana io, ampiarahana ny fangatahan’ny filohan’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) sy ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Apetraka amin’ny And. 69 sy 80 ary 114 amin’ny lalàmpanorenana ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Anteni­mierampirenena sy ny Anteni­mierandoholona ary ny HCC. Voalazan’ireo andininy ireo ny amin’ny fe-potoam-piasan’ireo andrimpanjakana ireo tsirairay avy.
Ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Ceni dia apetraka ao amin’ny And. 21 amin’ny lalàna lah. 2015-020 momba ny rafitra nasionaly mahaleo tena tomponandraikitra amin’ny fikarakarana sy fitantanana ny raharaham-pifidianana, fantatra amin’ny anarana hoe Ceni, ny an’ny mpikambana ao amin’ny HCDDED ary ny lalàna najoron’ny lalàna mifehy ny fifidianana 2015-001 momba ny HCDDED.
Araka izany, manohy ny asany hatrany ireo andrimpanjakana telo tonta ireo, ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny HCC.

R. Nd.

Partager sur: