… Tsy ho diso anjara ihany koa, anefa, ny hiran’ny lehilahy! Hiavaka ny anio raha oharina tamin’ireo andiany teo aloha. «Zara sehatra» hiarahana amin’ny Sehatra bagasy izay hanomezan-danja ny hiran’ny vehivavy. Fampisehoana sy fifampizarana hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsahavola. Samy haneho ny talentany ireo rehetra ho tonga eny an-toerana. Hisy rahateo ny sehatra malalaka. Na izany aza, efa nisy ihany ny fandefasana na fampitana mialoha ny lohatenin’ireo hira heverina fa mamaly ny lohahevitra « hiran’ny vehivavy sy ny hiran’ny lehilahy ».
Nosafidian’ny Sehatra bagasy tamin’izany: «Hotsarovantsika» (Samuel Rahamefy), «Veloma ry Saïd Omar» (Naka Rabemanantsoa), «Andeha hanasa lamba» (Rajoro), «Ny fo lavi-tiana» (Andrianary Ratianarivo). Manampy ireo ny «Mivolom-batosoa» (Therack), «Ambarambarao» (Naka Rabemanantsoa), «Fampitaha» (Naly R), «Tsikirity momba fody» (Tseheno), «Tokan’iny» (Naly R), «Tantanonao ry Ray» (Ranaivo Ranarivelo), «Handao ity tanà-nahazatra» (Naka R). Eo koa ny «Rehefa manambady Ravorona» (Rajoro), «Raha ny rano nantsakaina» (Rasamy Gitara), «E diavolana» (Rajoro), «Tanàna haolo» (G. Ramiarison), «Fitiavan’i Neny» (Klarystel), «Ambarao ry takariva» (Randrianarivelo), «R’ilay otrikafon’ny foko» (Therack), «Embona fahavaratra» (Tseheno) ary ny «Mazàna ny tsara» (Naka R).
HaRy Razafindrakoto




