Tany misy fanjakana

 

Ny ankizy, hono, no tia tsapa fatana, ny lehibe no tia tonotono. Hanao ahoana ihany ny amin’ny fandaminana sy filaminana eny ifotony ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fisian’ny hetsika etsy sy eroa amin’ny fanalana na fanoloana ben’ny Tanàna na lehiben’ny Fokontany. Manjary misy fifanaovana ankolafiny na fifampiandaniana ny raharaha. Ho tonga hatraiza? Misy tena mitompo teny fantatra amin’izay heveriny sy ataony. Toy ny hoe izy no hoe fanjakana? Manao izay saim-pantany, manao amboletra, manao ny tsy fanao… Aiza ho aiza ny hoe tany misy olobe tsy miady zaza? Mitady hiseholany tsy fidiny ny fifandonana rehefa tsy fantatra mazava intsony izay tokony hatao. Iza no manao inona?
Vao mainka manakorontana izay heverina sy atao ho fandaminana, fa misy ny minia manao didin’ny be saina na be sandry fotsiny izao. Manararaotra? Rehefa tsy misy ny herin’ny lalàna dia ny lalàn’ny hery no manjaka ho azy. Misy mahita ka milaza fa mila fandinihana akaiky sy maika ny raharaha. Ao ny mamatrapatraka fa ny fifidianana izay hitantana ny Fokontany ihany, ohatra, no vahaolana. Ary ny amin’ny kaominina sasany isiana hetsika etsy sy eroa? Mbola mampiroaroa saina, mahabe adihevitra… Tany misy fanjakana? Hatrany ifotony… Efa tolo-kevitra mandeha na voizin’ny sasany ny hoe hatomboka any ifotony na any amin’ny fokontany amin’izay ny fifidianana. Mandra-pitrangan’izay hitranga, tsy misy vahaolana Tetezamita ve? Na handaminan-draharaha ahay ihany aza aloha… Fanapahan-kevitra hentitra, sy mazava, azo tanterahina…
Ny vahoaka no voa mafy sy mizaka ny tsy eran’ny aina noho ny politika maloton’ny sasany? Na lasa fitaovana politika amin’ny fanaovana bontolo tsy misy famakafakana sy fandinihana lalina… Nefa tany misy fanjakana?

R. Nd.

Partager sur: