Taolagnaro: Seho roa misesy ho an’i Zook Davids

Mitohy ny fitetezam-paritra eto an-toerana ho an’ny Zook Davids. Fantatra fa ny any Taolagnaro na Fort-Dauphin indray no handray ny tarika, anio sy rahampitso. Ho an’ny anio, fampisehoana lehibe, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny Tanàna (CUFD), manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny rahampitso, hanomboka amin’ny 3 tolakandro ihany, ao amin’ny fiangonana FJKM Salema Vaovao.
Mandritra ireo fampisehoana roa ireo. Hisongadina hatrany ny maha mpanabe (mpampianatra) sy ny maha mpanakanto (mpamoronkira, mpihira, mpitendry zavamaneno, mpanentana…), an’i Zook Davids. Tafakambana ao anatina hira sy dihy ary fihetsika mirindra izy ireny, hany ka mora ho an’ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe ny mandray izay tian’ny tononkira ambara.
… Raha tsiahivina, ity taona 2025 ity no iray amin’ireo fotoana nahavitan’ny tarika Zook Davids seho marobe. Tsy teto an-toerana ihany fa efa nisy ny fivoahana tany ivelany. Fanabeazana feno amin’ny maha olona (fanahy, fo, saina, vatana…) no iray amin’ireo katsahin’ny tarika amina seho fampitan-kafatra tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: