Nitondra ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana mahitsy fijery, tarihin-dRavololomanana Lalatiana. Maromaro ireo fitakiana nambaran’izy ireo tamin’izany.
Nohitsin’ity vovonana ity fa mila mazava ny fepetra sy ny fandraisana andraikitry ny mpitantana ho fanitsiana sy fanovana, miainga amin’ireo teboka efatra tamin’ireny famindram-pahefana amin’ireo minisitra miisa 28 ireny. Eo ny ady amin’ny kolikoly, ny mangaraharaha, ny fitsitsiana ary koa ny fanovan-drafitra sy ny toe-tsaina mpitantana, araka ny nambaran’izy ireo. «Ohatrinona ny karama sy ny tombontsoan’ ireo minisitra sy tomponandraikitra teo aloha? Ahoana ny amin’izao fotoana izao? Ilana tarehimarika ahitana taratra ny tena fitsitsiana marina izany», hoy izy ireo. Nanteriny fa manana filoha mpiara-mitantana dimy isika ka tokony hazava amin’ny vahoaka ny fandaniana ao anatin’izany.
Takin’ny Vovonana mahitsy fijery koa ny tondrozotra hotanterahina ao anatin’ny roa volana, ahazoan’ny vahoaka manana maridrefy, handrefesana sy hitsarana ireo tomponandraikitra isan-tokony. Anatin’izany ny fanambaram-pananana ampahibemaso ho an’ ireo minisitra sy tomponandraikitra amin’izao fotoana.
Mba tsy ho ny fonja sy sesitany no ifandimbiasana
Etsy andaniny, miantso ireo olobe, raiamandreny ara-drazana sy ara-pinoana koa izy ireo hifampidinika haingana. «Hanomana ny fampiantsoana ny fikaonandoham-pirenena. Mba tsy hiverina intsony ny krizy ka tsy ny fonja sy ny sesitany no ifandimbiasan’ ny mpitondra eto», hoy izy ireo. Resy lahatra koa ity vovonana ity fa tsy azo ihodivirana ny fampihavanam-pirenena hananganana rafitra tsy mitanila.
Ankoatra izany, nambaran’ izy ireo fa mila manorina rafitra mankany amin’ny fanovana ifotony, amin’ny alalan’ny lalàmpanorenana. Ho azy ireo, fifidianana lalàmpanorenana no hatao fa tsy fitsapan-kevibahoaka anaovana Eny sa Tsia…
Synèse R.




