FANTINA sy FINTINA

Telo ireo fanendrena nofoanan’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ izany ny nanesorana an-dRakotomanga Rinah teo anivon’ny masoivohon’i Sina. Tahaka izany koa ny mpanolontsain’ny masoivoho ao Frantsa, Randim­biarisoa Mishou, ary ny nanalana ny masoivoho atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital.
Nofoanana ny fepetra tsy fahafahana mi­voaka an’i Madagasikara (IST) ho an’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga teo aloha, Mahatante Tsimanaorate Paubert. Nofoanana koa ny IST ho an’ny tomponandraikitra eo anivon’ny HCC, Ranaivoson Rojoniaina. Anisan’ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny herinandro teo ireo.
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka ny tambajotra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. « Mandeha daholo ny fanaratsiana olona na orinasa sns. Miantso ny fanjakana mahefa mba handray ny andraikiny fa sao hamotika fiainan’olona isika », hoy izy.
Niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michael, ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nampita izany ny filohan’ny “Commission des affaires étrangères” ny Ante­nimierampirenena Frantsay, Bruno Fuchs, nihaona tamin’ny filoha teny Iavoloha, ny zoma teo. Vonona hiara-kiasa amn’ny fitondrana ry zareo.

Partager sur: