Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael.
Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madaga­sikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny Repoblika », hoy izy, nanoloana ireo mpikambana eo ani­von’ny Sadc. Nohamafisiny fa ta­mim-panetretena ny nandraisan’i Madagasikara ny fa­napahan-kevitra ny hiala tsy ho filoha mpitarika ity vondrona ara-toekarena ity. Namba­rany tamin’izany koa ny fanehoana firaisankina sy hanamafisana ny fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana iombonana. Nohamafisiny fa mandala hatrany ny foto-kevitry ny Sadc amin’ny alalan’ny firaisankina sy ny filaminana ary ny fampiroboroboana ny fampandrosoana i Madaga­si­kara. Nanteriny fa ao anaty kihon-dalana sy dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny fi­renena, anisan’izany ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka malagasy ny Andriampanjakana demokratika sy lovainjafy. Naneho fankasitrahana feno ihany koa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, ny amin’ny fandraisan’ny Sadc toerana am-piheverana sy ny fanapahan-kevitra voalanjalanja. Tsiahivina fa tapaka nandritra izany fivoriana izany ny hitantanan’i Afrika Atsimo vonjimaika ity vondrona ity manomboka izao?

Synèse R.

Partager sur: