Nilaza ny tale jeneralin’ny CIS, afakomaly, fa nahatratra 2 miliara Ariary sy basy dimy izy ireo. Saika
hoenti-mamono ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël izany, raha ny voalaza.
“Tsy kilalao io, fa tena sangy mihoatra ny loha”, hoy ny tale jeneralin’ny Central intelligence service (CIS), ny contrôleur général de Police Lebiria Rufin Tolojarany, tamin’ny mpanao gazety, teny Antanimora, afakomaly, ny amin’ny fisian’ny olona miketrika ny famonoana ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël. Misy olona mikononkonona hanao fanonganam-panjakana ny datin’ny 15 hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, araka ny fanazavany. Mbola tazonina ho tsiambarantelo aloha hatramin’izao ny toerana nanaovana fisavana. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana. Miangavy ary mangataka ny olom-pirenena rehetra hanome vaovao ny CIS. Hahazoan-dry zareo miasa izany. Nanomezany toky fa hotazonina ho tsiambarantelo ny vaovao omena amin’izany: tsy hisy hahafantatra afa-tsy izay omena azy ihany.
Nahazo vaovao, tokony ho tamin’ny 3 ora, ry zareo tamin’ny 7 novambra lasa teo. Natao ny fanamarinana, hita sy fantatra fa marina: misy olona mieritreritra hanao fanakorontanana ny fitondram-panjakana mijoro tsy ho marin-toerana. Rehefa natao ny fangatahana fahazoan-dalana tany amin’ny tonia mpampanoa lalàna, nahazo alalana ara-dalàna ry zareo. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, ny 7 novambra, nanao ny fisavana. Tratra tamin’izany ny vola roa miliara Ar miaraka amin’ny basy dimy: basy fihazana roa mahery vaika, poleta telo. Vola vaovao ny 1 500 tapitrisa Ar tamin’ireo 2 000 tapitrisa Ar na roa miliara Ar, ary vola efa niasa ny 500 tapitrisa Ar. Hatramin’ny 8 novambra, tamin’ny 6 ora maraina, ny fisavana ny tranon’ireo teratany vahiny. Mbola misy olona roa hafa hanaovana fanadihadiana ary voalaza fa mampiasa vola be amin’izay raharaha fanonganam-panjakana tsy nahomby izay.
R. Nd.




