Tontosa ny sabotsy teo ny “Sehatra BaGasy”, tamin’ity volana novambra ity. Nisy ny “Fampitaha” izay nifanandrinan’ny lehilahy sy ny vehivavy, tao amin’ny sehatry ny Aro Antsahavola. Tsy nisy resy sy mpandresy fa nampiakatra avo ny zavakanto amin’ny alalan’ny famerenana ireo hiran’ny omaly sy ny hira teatraly izany. Mbola hisy ny fihaonana hamarana an’ity taona ity, ny 1 desambra ho avy izao.
“Ny andraikitry ny mpanakanto eo anivon’ny fiarahamonina”. Lohahevitra lehibe sy misandrahaka, niaraha-nidinika teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, tao amin’ny Sampandraharahan’ny kanto, ny teny ary ny maha olombelona, ny sabotsy lasa teo io. Nitarika ny velakevitra ny Dr Ghislain Razafimandimby sy ny mpanakanto mpanao rap, Doubl NN, izay samy mpisehatra amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, no manan-kozaraina mahakasika izany rahateo.
Nisokatra ny sabotsy teo ihany koa ny “Novembre numérique”. Tamin’ny alalan’ilay fampirantiana “Phygital”, tao amin’ny IFM Analakely izany. Fotoana nampifandraisana ny niomerika sy ny zava-misy marina, indrindra manodidina ny “intelligence artificielle”, izay mifehy amin’ny ampahany ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Mbola hitohy hatramin’ny 22 novambra izao ity hetsika ity, amin’ny alalan’ny hetsika maro.
“Nisokatra ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny “SAR’nao”, na ny “Iray volan’ny saripika”. Nifamatotra amin’ny sary sy ny tontolon’ny “intelligence artificielle” ihany koa ny lohahevitra amin’ity andiany ity. Ny sangananasan’i Fidisoa Ramanahadray aloha no miranty ao amin’ny IFM Analakely, izao. Hifanidmby amin’ny sanganasan’ireo mpaka sary hafa izany aorian’ny fifantenana ataon’ny mpikarakara ny hetsika.




