Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny delegasionin’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah sy i Domitien Ndayizeye, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tetsy Ivandry, ny alahady teo.
Nambaran’izy ireo fa tsy mangina na mitazam-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina manoloana ny raharaham-pirenena. Mandray anjara hatrany mitady vahaolana ho an’ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo. « Ny fifampiresahana ihany no lalan-tokana hahitana izay vahaolana, manoloana ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena », hoy izy ireo. Nanolotra volavolan-kevitra tamin’ ireo iraky ny UA izy ireo tamin’izany mba hivoahana amin’ izao krizy izao.
Anisan’ny niatrika izany ny minisitra teo aloha isany, Rakotomandimby Benjamin Alexis, Sahondrarimalala Marie Michelle, ny depiote isany, Andriamananoro Augustin sy Imbiky Herilaza ary Andriamaholy Dina.
Synèse R.




