FANTINA sy FINTINA

Miantso fanarahan-dalàna ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. “Tokony hanara-dalàna isika amin’ ny toerana sasantsasany amin’ireo ben’ny Tanàna sy lehibem-pokontany, misy korontana na fisavorovo­roana kely”, hoy izy.
Hentitra ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rabe­arimanana Lucien. Mitaky fiovana toe-tsaina ny fanovana, araka ny nambarany. « Fanovana hatrany ifo­tony sy hatrany amin’ny fakany ny fanorenana ifotony. Mitaky andraikitra izany. Eo ny fiovana toe-tsaina sy ny fomba fijery », hoy izy.
Fampahatsiahivan’ny Ceni. Afaka misoratra anaty lisi-pifidianana ireo mpifidy, manomboka ny
1 desambra ho avy izao. Tafiditra amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izany. Tsiahivina fa mbola manohy ny asany ireo mpikambana eo anivon’ ny Ceni sy ireo rantsamangaikany amin’izao fiovan’ny fitantanana ny firenena izao.
Anisan’ireo nihaona tamin’ny iraky ny Von­drona afrikanina (UA) ny HVM. Nambaran’izy ireo fa nataon’ny mpitondra teo aloha ampihimamba sy nanjakan’ny gaboraraka ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny seha-pihariana samihafa. Niantso koa izy ireo mba hanala ny fampiatoana sy ny sazy ho an’i Mada­ga­sikara ny avy amin’ny UA.

Partager sur: