Fiverenana ifotony: Tsy maika ny fandikan-teny

Tany amin’ny Repoblika faharoa no nanezaka mafy tamina « fanagasiana », ny sehatra samy hafa teto Ma­dagasikara. Tsy nahomby izany, satria, nihazakazaka tany amin’ny fandikan-teny. Noheverina fa tsy ampy voambolana ny teny malagasy ka nampiana. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola misy ny mpikaroka mbola manantitra hatrany fa ilain’ny Malagasy ny fandikana amin’ny teny malagasy ireo voambolana vahiny maro.
Tsy izany no maha maika raha ny olana mianjady amin’ ny teny malagasy. Mila ikelezana aina ny fampidirana ao amin’ny Malagasy tsirairay fa azy io teny io. Nomen-Jana­hary azy io. Ny teny malagasy no hametraka ny maha izy azy fa tsy ny teny vahiny velively. Teny manan-kasina sy ma­nan-jina io. Tsy misy firenena iray eto ambany masoandro ka handroso amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa.
Ny fampitiavana ny teny malagasy no maha maika sy laharam-pahamehana, satria, io no nopotehin’ny vanim-potoana sy ny tantara nifandimby. Taranaka Malagasy nanjary mankahala sy tsy mahay ny teniny. Mihevi-tena ho « ambany » raha miteny malagasy. Na, mihevi-tena ho « zavatra » raha miteny va­hiny.
Mila apetraka mazava (didy, lalàna, hitsivolana…) fa « ny teny malagasy no teny ibeazana » any amina sehatra rehetra. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola tonga amin’izany ny Malagasy hany ka ataon’ny vahiny kilalao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: