Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antanimena, omaly, ny Mpisolovava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Notsiahiviny ny tranga ny alahady teo, teny Andranobevava. Fiantsoana niafara tamin’ny fisavana trano sy ny nitondrana ny vadin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, eny amin’ny biraon’ny Bianco, Ambohibao. “Mampalahelo ny zava-misy. Renim-pianakaviana mbola mampinono, no nentina amin’ny raharaha tsy misy idirany. Tsy manana andraikitra ao amin’ny CUA ary tsy atahorana handositra izy, nefa nohazonina arahi-maso hatramin’izao. Mampieritreritra raha olona tsy mahalala na inona na inona ary tsy manana birao etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna tazonina any. Tokony halefa mody izy ireo », hoy izy.
Fampihorohoroana
Nohamafisin’ity mpahay lalàna ity fa mbola nihaodihaody teny Andranobevava ny mpitandro filaminana, omaly. “Midika ho fampihorohoroana ve izany?”, araka ny fanontaniany. “Olona efa namoahana tsy fahazoana mandika ny sisintany, ny minisitra teo aloha Andriantsitohaina Naina. Efa nilaza izy fa tsy nangalatra ka vonona ny hamaly ny fanontaniana rehetra amin’ny fotoana ilana izany. Tsy manakana azy tsy hivezivezy eto amin’ny tany sy ny firenena kosa anefa izany”, hoy hatrany izy. Mangataka ny hampodiana ny vadin’ny minisitra ny mpisolovava azy.
Tsy misy idirany
Mahakasika ny raharaha izay voizina fa mahavoasaringotra sy hiampangana ny minisitra teo aloha Andriantsitohaina Naina, dia mazava ny fanambaran’ny mpisolovava, omaly. “Ny SMGD no nifampiraharaha tamin’ny Cnaps. Tsy nanao sonia akory ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ny tenany na dia ben’ny Tanàna aza tamin’izany fotoana. Manaporofo ny maha madio azy sy ny finiavany nanara-dalàna ny nandoavan’ny SMGD na ny Kaominina izay mpisitraka mivantana ny tombontsoa ny vola nandritra ny nitondrany ny tanàn’Antananarivo”, hoy hatrany izy.
Notsiahiviny fa : « Nankatoavin’ny filankevitry ny tanàna ny fananganana ny SMGD ary nahazo ny tsodranon’ny filankevi-pitantanana (CA) koa ny Cnaps. Misy ny tatitra sy fifanarahana avokoa izany ka nahazoana ilay vola 11 miliara Ar», hoy ity mpisolovava ity.
Efa tsy nanana andraikitra
Notsiahiviny fa voatendry ho minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny janoary 2024 ary efa tsy nanana andraikitra tao amin’ny CUA intsony. Nanteriny fa nanao famindram-pitantanana mazava ary misy rahateo ny fitohizan’ny asam-panjakana. Efa tsy anjarany intsony ny aty aorian’izany. « Tsy mitombina raha olona efa tsy eo no mbola hitsabaka amin’izany », hoy izy namarana ny resaka.
Synèse R.




