Hitohy hatramin’ny 7 desambra izao ilay fampirantiana « Abafabazi », ao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fampirantiana mitety firenena izy ity, izay hanehoana ny sanganasan’ireo afrikanina mpanakanto maromaro, maneho ny vehivavy sy ny tontolony. Mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, mivoy izay fahasamihafana ara-kolontsaina sy fiarahamonina kanefa misy ifandraisana maneran-tany izay, ny fampirantiana. Ny House of African Feminism no mikarakara azy ity.
Hiditra amin’ny dingana farany ny ho fametrahana ny vatobe ao Ambatomanga ho anisan’ny harembako-pirenena. Nidina tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nijery ireo asa faramparany tokony hotanterahina. Tsy ho ela ny lanonana fanokanana ofisialy ity harem-bakoka mampiavaka an’Ambatomanga ity, izay heverina fa hisintona mpizahatany tompon-tany sy vahiny ihany koa.
Hanohy hamelo-maso ny tarika Ny Nanahary ireo taranaka, hanampy ireo mpikambana mbola eo. Hisy ny fotoana homen’ny tarika ireo mpankafy azy ao amin’ny FJKM Moramanga Fitiavana, any Moramanga, ny 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Mazava loatra fa ireo hiran’ny Ny Nanahary izay misy maro ny hira fiderana, ankoatra ireo nahafantarana ny tarika nandritra ny taona maro, no hovelomin’izy ireo amin’io.




