Fampirantiana : Hanokatra ny mason’ny tsirairay ny « Jery »

Maherisoa Rakotomalala sy Tahina Rakotoarivony. Andrarezin’ny hosodoko sy ny hairahan’ny ankehitriny no hampiranty ny sanganasany, ao amin’ny Is’Art Galerie Ma­hatazana, ny 19 ka hatramin’ny 10 desambra izao. Loha­eny sady lohahevitry ny fampirantiana rahateo ny «Jery». Hanokatra ny mason’ny tsirairay bebe kokoa ireto mpanan-talenta roa ireto ka hijery ny any ambadiky ny efa misy. «Jery mankany amin’ny faravodilanitra tsy mbola hita», raha ny fanazavan-dry zareo.
Nohamafisin’ny mpikarakara fa : «Maherisoa Rakoto­malala sy Tahina Rakotoari­vony, dia manasa antsika hijery amin’ny fomba hafa. Hijery loko iray mba hahatsapa izay nolalovan’ny mpanakanto. Afaka manandrana mijery amin’ny mason’izy ireo ve isika?». Nanatevina sy nanamafy ny fanazavana ny mpikarakara ny fampirantiana. Nambarany tamin’izany fa : «Eto, ny mpankafy zavakanto dia afaka mahatsapa izany amin’ny masony. Hijery amin’ ny fomba hafa ny tontolo ma­nodidina izy ireo. Na dia efa naneho ny faniriany hiova aza ny hetsika iombonana. Avy aminao ny fiovana no manomboka. Any no iavian’ny fiovana azo tsapain-tanana…».
Nanterin-dry zareo fa: «Jery no ho toro-lalanao. Tsy vahiny aminao ny tanjona, fa jereo: manomboka izao, tsy ho hitanao amin’ny endriny toy ny mahazatra intsony izany».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: