FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’ireo « Diaspora » any Frantsa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra, omaly. Nambarany fa namantana firenena efa potika ny tenany ka tsy ho mora ny hanarina azy. « Tsy ho vita rahampitso sy afakampitso fa mila fotoana. Efa miasa sy mitady vola izahay izao », hoy izy.
Naneho ny heviny ny filoha lefitra fahafito, lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimieram­pirenena, Milavonjy Philobert. «Aoka atsahatra ny fanenjehana sy ny fanaovana antsojay amin’ireo mpomban’ny fitondrana teo aloha», hoy izy. Nam­barany fa matetika miendrika fandrobana ny fisavana ataon’ny sasany.
Natsahatry ny fitsarana ny fanenjehana ny mpanolotsaina Raharinirina Clemence sy Baba Rakotoarisoa. Tsy tonga niatrika izany ny mpitory. Tsiahivina fa anisan’ny nitoriana azy ireo ny fidirana an-keriny tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimieran­doholona, Anosikely, ny 18 septambra 2025 lasa teo.
Nigadona eto an-tanindrazana, omaly, ny Praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo Jean. Nanao sesitany ny tenany tany ivelany, nandritra ny 4 taona mahery izy, efa notsaraina noho ny fanodinkodinam-bolan’ny CNaPS ny taona 2010-2018. Voasazy 5 taona an-tranomaizina izy saingy lasa tany am-pitan-dranomasina ary izao tafaverina izao indray.

Partager sur: