Raha mijanona eo amin’ny fampahafantarana sy fampitiavana fotsiny… Tsy ampy ! Mila ampiasaina sy iainana ny fomba malagasy (na ny fomba gasy ». Tafarina ao anatin’ny fotoana fohy ireo lesoka mahazo vahana any anivon’ny fiarahamonina raha vitan’ny Malagasy izany. Rehefa mety ho mpitondra na mpitarika isan’ambaratonga, ohatra, mila miozona na manozon-tena. Raha tsy hanaja ny rariny sy ny hitsiny… Ireo manao fifanekena, mila misotro ny « ranon’ny fifanekena » hisorohana ny fivadiam-pitokisana, sns. Mila hiverenana ireny fomba amam-panao mirakitra fahalalana goavana nananan’ny Malagasy ireny. Mbola maro ny Malagasy mahay sy mahafantatra ary mahalala tsara ny momba ny fomba malagasy.
… Mety ho olana amin’ny fanatanterahina ny fomba tahaka itony ny namotehan’ny vanim-potoana, ny fiarahamonina (fomba fisainana…) malagasy. Teo koa ny nanandratan’ny Malagasy sasany ny fomba vahiny indrindra fa eo amin’ny tontolon’ny finoana sy ny fivavahana. Mahazo vahana be izy ireny ka niteraka tahotra sy fitsarana ivelany ho an’ny fomba amam-panao malagasy. Adidin’ny ray aman-dreny isan-tokantrano ny manaitra sy mamoha indray ny fahalalana ananan’ny Malagasy sy ny iainan’ny taranany izany indray.
HaRy Razafindrakoto




