Mahalasa saina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa ny teo ihany no fomba amam-panao hoentina mitondra ilay politika eto amin’ny tanàna. Mbola mifanenjikenjika sy mifamalifaty eny foana. Mitohy ny manenji-dresy sy ny tsindrio fa lavo. Ilay fanovana tadiavina, hisian’ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina toa mbola atao anjorom-bala. Ampanjakaina ny “tour”-nay indray izao.
Fomba amam-panao mamohehatra, izay maika mandentika an-davaka ny firenena. Tsy afaka hametrahana firenena vanona araka ny iandrandran’ny maro azy. Tsy misy azo antenaina anefa raha mbola ny olona niova fa ny toetra hitondrana ny tanindrazana dia ifandovana tamin’ireo tany aloha sy nodimbiasana hatrany. Izany anefa no rangory fototry ny afo, mamarina ilay tanindrazana an-kady.
Sintonina hatrany ny lakolosy dieny vao manomboka izy ity. Boribory vetaveta tsy mitondra soa no tadiavin’ny sasany hatao. Mankalilo sofina ny maheno ny vondron’olona sasantsasany mivoy ny fisavana trano, fandrobana, fampihorohoroana ara-tsaina sy ara-batana tsy ara-drariny. Misy dia tsy manavaka izay vary amin’ny tsimparifary fa manao safobemantsina.
Mila fahamalinana sy fitandremana ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao, mba tsy ho ilay tendrim-po tsy namana sy ny fo lentika manimba no hibaiko ny fanapahan-kevitra. Mila manome kisary miabo ny fitakiana hanongotra hatramin’ny fakany ny fahalovana ny mpitondra nindrana ny fahefana tamin’ny vahoaka. Tsy ampy ny kabary ambony vavahady!
Mendrika fanatsarana ny andavanandrony ny vahoaka malagasy. Tsy ahafahana ny hisitraka izany ny ady lahin’ny politisianina mifanimba sy mifamono. Tsy azo ekena eto amin’ny tany sy ny firenena ny fifamotehana ny vahoaka malagasy. Tsy azo leferina kosa anefa ny tsimatimanota ho an’izay hita fa efa vandana toa kary.
r.r




