Mahazo vahana kokoa noho ny sarimihetsika ny horonantsary fanadihadiana eto Madagasikara. Efa hasaina sahady ireo Malagasy mpanatontosa handefa ny sanganasany hifaninana.
Nisy fandraisana anjara mavitriky ny mpanatontosa sarimihetsika malagasy hatrany ny “Festival du film de l’Océan Indien”, na ny “FIFOI”. Efa manao antso avo amin’ ireo mpanatontosa manana tetikasa na efa manana vokatra, mahafeno ny fepetra, ny mpikarakara, amin’izao fotoana izao. Ho an’ny andiany fahatelo, izay hotontosaina ny 14 avrily hatramin’ny 19 avrily izao, any La Réunion. Tetikasa roa, sokajy “horonantsary fohy” sy “horonantsary lava”, izay samy fanadihadiana avokoa no andrasana amin’ireo mpanatontosa. Mila lohahevitra mitranga na misy ifandraisany amin’ireo firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, toa an’i La Réunion, Maurice, Seychelles, Mayotte, Comores, Madagasikara, Afrika Atsimo, Kenya, Mozambique, Somalie, Tanzanie, Zanzibar ary Inde izany. Manana hatramin’ny 9 janoary izao ireo mpanatontosa handefasana ny vokatra hifaninana. Izay voafantin’ny komity mpikarakara eo dia hasongadina mandritra ny “FIFOI 2026”, ary hatosika mba handray anjara ihany koa amin’ ireo hetsika iraisam-pirenena hafa amin’io taona ho avy io.
Namiratra ireo Malagasy mpanatontosa
Raha hiverenana kely, tontosa ny alahady teo ny andiany faha-3 tamin’ny “Festival Ant’ Sary Doc Mada”, hetsika nanasongadinana ny horonanantsary fanadihadiana amin’ny endriny rehetra. Maromaro ireo horonantsary notontosaina Malagasy na nahodina teto Madagasikara no nisongadina nandritra izany. Namiratra noho ny fihavahan’ ny trandraka nataony koa ireo mpanatontosa. Toa ny an’i Maeva Ranaivojaona sy Gorg Tiller, ka nahazoan’ilay horonantsary “Zaho ihany” ny loka voalohany tamin’ny sokajy “horonantsary lava”. Nahazo ny “Prix public” kosa ny “Manandona, an Untamed Path” an’i Manandraisoa Hélène sy Norohasimbola Julienne. Nomena ny loka fandrisihana kosa Ramaniraka Rajaonary Manantsoa tamin’ilay horonantsary “Little Garden”. Ankoatra ireo, lasan’ireo horonantsary notontosaina vahiny avokoa ny sokajy hafa. «Le Prix du rêve» an’i Olivia Solène Gamélé Gove no nisongadina tao ami’ny sokajy “horonantsary fohy”. «Le Bus» an’i Kurom kosa no nahazo ny loka “Digital Expérience”.
Zo ny Aina




