Vehivavy Vovonana mahitsy fijery: « Miangavy, avotsory Andriantsitohaina Claudia »

”Tsy misy idiran’Andriantsitohaina Claudia ny raharaha SMGD, mangataka ny hamotsorana azy izahay”, hoy ny Vehivavy Vovonana mahitsy fijery. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely izy ireo, omaly.

Tsy afaka ny hangina ma­noloana ny toe-draha­raha. « Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izahay amin’ny maha vehivavy sy reny anay. Avo­tsory Andriantsito­haina Claudia», hoy ny mpitondra teny, Ra­harimalala Lanto. No­hitsin’izy ireo fa tsy mpiasan’ny Kao­minina Antananarivo Renivo­hitra na koa ny SMGD ny vadin’ny ben’ny Tanàna teo aloha nefa nentina eny amin’ny Bianco, nanomboka ny alahady teo ka hatramin’izao. Mi­taiza kely sy mampinono ny zanany izy, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. « Tokony hajaina ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy. Tsy misy idirany mihitsy io raharaha io ka tena mampalahelo anay izany, rariny sy hitsiny raha avela hamonjy ny zanany sy ny tokantranony izy », hoy izy ireo.

Tapitra ny fe-potoana

Nanterin’izy ireo koa fa efa tapitra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna amin’ny fihazonana azy. Notsiahivin’izy ireo fa nohazonin’ny fitondrana teo aloha ny vadin’ny Kly Rakoto­mamonjy Patrick, saingy na­votsotra satria tsy misy idirany ny resaka politika sy ny fanambaran’io manamboninahitra io tamin’izany.
Etsy andaniny, notsindrin’izy ireo fa anisan’ny nampijoro ny Capsat ny fandorana ny volon’ilay vehivavy tamin’ireny fotoan’ny tolona ireny. « Ha­nangana fanjakana sy rafitra isika ka aoka tsy hiverina ny tranga tahaka ireny. Atsaharo ny valifaty politika », hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: