«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pirenena izay». Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, teny Alarobia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina (UA). Rehefa fantatry ny Ceni ny vokatr’izay, tsy maintsy hanontany ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ izany izy. Izay ny didy navoakan’ny HCC teo hoe: azo hahemotra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Nefa tsy maintsy hifampiresahana amin-dry zareo izany.
“Tsy hanao ranon’Ikopa izahay eto anivon’ny Ceni hoe tonga namana vao mavomavo”, hoy izy. Manao ny asany hatrany ny Ceni. Araka ny And. 14 amin’ny lalàna 2015-020 mifehy ny Ceni, misy ny rafitra azo apetraka raha misy ny fanomanana fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka. Tian’ny Ceni ny hametrahana an’izany rafitra izany, hiara-misalahy amin-dry zareo eo anivon’ny birao maharitra rehefa fantatra ny daty hanaovana fifidianana. Tsy manana olana ny Ceni raha misy rafitra hiara-miasa amin-dry zareo eo anivon’ny birao maharitra. Mbola miato ny fifidianana loholona. Raha ny vinavina tamin’ny voalohany, amin’ny 11 desambra no saika hanatanterahana izany. Nefa noho ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, tsy mbola misy daty ny amin’ izay fifidianana izay. Ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra izany.
R. Nd.




