« Festival de la parole » : Tanora 10 hifaninana amin’ny haitaky

« Ny fahalalahana maneho hevitra » sy ny « Zo ho an’ny fanabeazana ». Ireo ny lohahevitra roa hifotoran’ny « Fes­tival de la parole », izay miditra amin’ny andiany faharoa. Nosokafana omaly ity hetsika ho an’ny haitaky sy ny fandresen-dahatra ity, tetsy amin’ny Fakiolten’ny lalàna sy ny haipolitika (FDSP) Ankatso. Ni­ompana kokoa tamin’ny fampahafantarana ny hetsika sy ny tanjona amin’ny ankapo­beny ary ny fandaharam-potoana ny andro voalohany. Hirona amin’ny fivoizana ireo lohahevitra roa anaty adihevitra sy atrikasa kosa ny andro faharoa. « Maneho hevitra an-kahalalahana aty amin’ny taonjato faha-21 » no lohahevitry ny adihevitra, raha toa ka « Ireo paikady mba hihainoan’ ny hafa » kosa ny an’ny atri­kasa izay tontosa omaly.
« Tanjona ny hanomezana sehatra ireo mpandray anjara, hitondran’izy ireo ny feon’ ny  tanora ho an’ny sarambabem-bahoaka », hoy Rama­roson Kanto, filoha mpanorina ny fikambanana Actio Volon­tarium Operarius (Avo). Izy ireo no mikarakara ny hetsika, miaraka amin’ny masoivohon’i France eto Madagasikara.
Marihina fa tohin’ny fifaninanana isam-paritra efa natao volana vitsivitsy lasa izy ity. Haka endrika fifaninanam-pirenena, araka izany, ny ra­hampitso zoma. Tanora 18 taona hatramin’ny 35 taona no mandray anjara amin’ity fifaninanana haitaky sy fandresen-dahatra ity, izay amin’ny teny frantsay ranoiray. 10 amin’izy ireo no hiatrika ny dinganana famaranana rahampitso, izay solontena avy amina faritra maro eto Madagasikara. Ma­nana 5 minitra avy handresen-dahatra ny mpitsara sy ny mpanatrika ireto tanora hifaninanana ireto. Handravaka izany ny seho ara-javakanto hoentin’i Mashmanjaka sy i Geoscar.

Zo ny Aina

Partager sur: