Haikanton’ny tanàn-dehibe. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny « Be-art ». Fampirantiana farany eny an-toerana amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto maromaro hamadika ireo toerana ivezivezen’ny olona maro ho tonga fihaonan’ny adihevitra isan-karazany sy sehatra famoronana ary fanalana ireo asa saina mavesatra no hanatanteraka ny ranty eny an-toerana, manomboka ny 21 novambra izao. Anisan’izany i A.J, Clipse teean, Taka Andrianavalona, RaHeryz, Ponk, Ortie. Amin’ny alalan’ny kisary lehibe fanao eny amin’ny rindrina, fihaonana sy fifanakalozana ary atrikasa no hanatontosan-dry zareo izany ho an’ny rehetra. « Be-Art », hamondronana ireo ankizin’ny lalana sy ireo mpamorona ary ny tsirairay mba hanana fihetsika iraisana: «haneho ny takona mba ho hita amin’izay». «Be-Art», hametraka ny tanàn-dehibe tahaka ny tsiahin’ny tantara. Mitantara ny ankehitriny sy haminavina ny ho zava-misy rahampitso.
Marihina fa ny 21 novambra ihany koa no hanombohan’ny «Festival d’Art Urbain X» izay hanamarika ny faha-10 taonan’ny association La Teinturerie. Handray anjara ao anatin’ny fandaharam-potoana, hatramin’ny 30 novambra, i Rina Art, Naty Kaly, Clipse, Ponk, Echo, Raheryz, A.J, Taka, Dina Rabearivelo, Maherisoa Faraky ary i Tsiambanindahy. Samy haneho ny momba ny kisary fanao amin’ny rindrina izy ireo. Hanatanteraka ny « art scénique » kosa i Aloo, Jah Roots, Illicit Soul, H-Man & R-S.
HaRy
Razafindrakoto




