Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ny raharaha SMGD sy Cnaps. Anisan’ny nohenoina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa sy tomponandraikitra ambony vitsivitsy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny raharaha SMGD sy ny Cnaps ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nohenoina teny amin’ny biraon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pôle anti-corruption ( Pac) ny olona voalaza fa manana fifandraisana amin’ny antontan-taratasin’ady. Anisan’izany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Niaraka taminy koa ny tale jeneralin’ny SMGD sy ny tale jeneralin’ny Cnaps. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa Andriantsitohaina Claudia, vadin’ny minisitra sady ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Marihina fa notazonina teny amin’ny Bianco, nanomboka ny 9 novambra, ity renim-pianakaviana ity.
Madio
Nanamafy Ravololomanana Lalatiana, mpanolotsaina ao amin’ny CUA, fa afaka mijoro hatao vavolombelona ny tenany, raha ilaina, fa madio sy mangarahara ny fitantanana, fony Andriantsitohaina Naina no ben’ny Tanàna, tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy velively ny fanodikondinam-bola tao fa narahina daholo ny dingana ara-dalàna rehetra. Tsy misy idiran’ny vadiny, Andriantsitohaina Claudia, mihitsy ny raharaha, ka tsy rariny ny fitazonana azy. Tsy mpiasa tao amin’ny CUA na ny SMGD ny tenany.
Olona am-polony
Maromaro ny olona niakatra teny amin’ny Pac, omaly. Anisan’izany, Andriantsitohaina Claudia, ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala, ny tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha, Rakotondraibe Mamy, ny filohan’ny GEFP, Ramatoa Béatrice Chan Ching. Teo koa ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry, ny mpikambana anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Cnaps, sns. Hatramin’ny fotoana nanoratana, omaly hariva, tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitry ny Pac, fa mbola nandeha ny fakana am-bavany azy ireo. Nisy olona maromaro tonga teny amin’ny Pac 67 Ha ihany koa, omaly, nilanja sora-baventy, mitaky ny hamoahana an-dRamatoa Andriatsitohaina Claudia.
Njaka Andriantefiarinesy




