Tsy mila kajikajy maloto  

Inona moa izany fa ny teo ihany no teo! Mitohy ny hazalambo ny mpanao politika tsy mitovy hevitra, indrindra ireo izay tsy tiatiana sy halako bika tsy tiako tarehy. Mibaribary ny finiavan’ny sasany hamotika olona iray na roa izay heverina fa azo poretina sy azo potehina.
Na olona niray latabatra sy niara-nihosina aza, misy ny navahana tsotra izao satria ve hoe mpiray fiaviana amin-dranona?
Tsy hidirana lalina aloha ny mahakasika izay, satria mahavelombolo kosa, etsy ankilan’izay, ny fanambarana lehibe na­taon’ny lehiben’ny governemanta. Nilaza manko ny Praimini­sitra fa vita hatreo ny tsimatimanota. Hihenjana ny fitondram-panjakana amin’izay tsy nanara-dalàna taloha na ankehitriny. Mariky ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka izany.
Inona tokoa moa no sakana tsy hirosoana amin’ny tena fanavaozana raha izany? Fanavaozana miorina ambony vatolampy fa tsy ambony fasika tahaka ny ki­nendrin’ny sasantsasany. Raha ny fifanenjehana sy ny fiandrasana kendry tohina aloha, mazava ho azy fa sarotsarotra ny fototra iaingana. Tsy maintsy apetraka ny fifamelana dia mampitovy tadin-dokanga vao afa-manangana.
Ny tendrim-po tsy mba namana. Ny fo lentika tsy ahafahana mandroso sy mivoatra. Ny miabo ihany no miaraka amin’ny miabo. Ny lo no miaraka amin’ny lo. Midika izany fa ny fanadiovana faobe izay tiana hapetraka dia mahakasika ny tsirairay, tsy hijerena loko politika na resa-piaviana. Mila mampitovy lenta ny fifampitondrana, tsy hisian’ny fifanambakana.
Vao manomboka isika izao, efa maha-te hidera ny fa­havonon’ny lehiben’ny mpanatanteraka.
Hany andrasana ny fanatanterahana amin-kitsimpo ny vina sy ny lamina, tsy misy kajikajy politika maloto sy feno fitaka!

r.r

Partager sur: