Niverina niasa avy hatrany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, teny Analakely, omaly, taorian’ny fanadihadiana teny amin’ny Bianco sy ny Pac momba ny “Raharaha SMGD-Cnaps”. Mijanona fototra sy fitsipika amin’ny fitantanana ny fangaraharana sy ny fahitsiana. Tanjona ny fandaminana sy ny fanadiovana ny tanàna.
Fanamafisana ny fiaraha-miasa no nifanakalozan’ny ambasadaoron’ny Repoblika federalin’i Alemaina, i Oliver Knoerich, tamin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly. Sehatra maro momba ny fitsinjaram-pahefana no anaovan’i Alemaina tantsoroka amin’ny alalan’ny GIZ sy KfW.
Tsy tokony ho hita ao anatin’ny fihaonambem-pirenena ny fandinihana ny momba ny rafitra Tetezamita, izay tokony havoaka amin’ny fifanarahana politika ihany. Izay ny hevitry ny filohan’ny antoko Tanora malagasy miroso (Tamami), Samiary Floriot. Ny rafitra lavitra ezaka ho amin’ny Repoblika vaovao no hifampidinihana amin’ny fihaonambem-pirenena.
Tafatsangana ny Vovonan’ny tanora ho amin’ ny fanovana sy ny fanorenana (VTFF), izay nampahafantarina afakomaly. Mandrafitra izany ireo tanora nitolona ho amin’ny fanovana. Tanjona ny hampiray fo ireo mpitolona rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanome tanana ny fitondrana mijoro hahazoana mitondra fanovana notakin’ny mpitolona ny vovonana.




