Aiza ho aiza ny fomba fanaovana politika amin’izao? Mitranga sahady ny ahiahy, raha ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy maintsy ovaina…
“Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika mba ho fanompoana vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny soa iombonana, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara (CEM). “Mba ho fanovana marina sy tena izy”, taorian’ny fivoriambe isan-taona, ny 4-14 novambra, teto Antananarivo, nifarana omaly. Ny fikaonandoham-pirenena miainga avy any ifotony no hahazoana miroso amin’izany, hanomanana fanjakana marin-toerana sy matanjaka. Izay tena ilain’ny vahoaka no hatao lohalaharana. Lesoka teo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara hatramin’izay ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifampatoky. Fanovana no tena notakina sy nandrandrain’ny maro. Fanovana toe-tsaina tsy ho tia tena. Anisan’ izany ny famokisana fotsiny ny namana amin’ny volam-bahoaka ka izarana toerana; eny, na tsy havanana amin’ izany aza. Fialana amin’ny kolikoly mba hitodihana amin’ ny tombontsoa iombonana.
“Mitranga sahady anefa ny ahiahy”, hoy ny hafatra. Ndrao mivaona amin’ireo zavatra notakin’ny tanora sy ny vahoaka ny fizotran’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Ahina hiverina ireo olona efa teo sy ny fomba taloha nandentika ny fiainam-pirenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika sy ny toekarena. Mampanahy koa ny fisian’ireo voakarama mba hanakorontana ny fiainam-bahoaka sy hamandrika ny fanovana andrandrain’ ny maro. Aoka hofongorina ireo fomba ratsy nambotry firenena, nahatonga izao fahantrana lalina iaraha-mizaka izao. Ny tena maharary ny vahoaka no aoka hojerena hatrany, fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Aoka tsy hatao tompony mangataka atiny intsony ny vahoaka, fa mba hisitraka ny fampandrosoana marina sy maharitra.
R. Nd.




