16 novambra 1963 – 16 novambra 2025. Feno 62 taona katroka rahampitso ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanamarihana izany ny « Takalo dinika amorom-patana » hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Havoria, Anosy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, hamelabelatra ny lohahevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana » ny mpisoronafo, Dr. Rabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala, izay samy renala Fi.Mpi.Ma avokoa.
Marihina fa iray amin’ireo hetsika fanao isan-kerinandro, tanterahin’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fanandratana ny kabary malagasy ity ny « Takalo dinika amorom-patana ». Amin’ny alalan’ny fampiasana ny « zoom » na ny « facebook » no nanatontosana izany mivantana hatramin’izay, mba tsy ho voafetra eto an-toerana ihany ny mpandray anjara fa maneran-tany. Nokendrena mba ho lohahevitra manintona sy tsy mbola misy mpiresaka loatra no nalahatra sy nohazavain
HaRy Razafindrakoto




