“Iray no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fisehoana voalohany teo anatrehan’ ny mpitsara mpanao famotorana, dimy nomena fahafahana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, fito nomena fahafahana vonjimaika ary iray farany namoahana didy fampisamborana”. Io ny fampahafantarana ofisialy nampitain’ny Tendrom-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, momba ny raharaha Cnaps sy ny orinasa SMGD. Nanao sonia izany ny mpampanoa ambony mpisolo toerana, i Velo Bendrainy. Nifarana omaly maraina ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana teny amin’ ny Pac, 67 Ha.
Tohin’ny fitoriana napetraky ny Sendikàn’ny mpiasan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpanolotsaina iray momba ny fanodinkodinam-bola tamin’ny findramam-bola 11 miliara Ar tsy ara-dalàna tao amin’ny Cnaps nataon’ny SMGD tamin’ny taona 2021 ny raharaha. Heloka anenjehana ireo voarohirohy ny fanararaotana fisahanana andraikitra, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fandraisana tombontsoa mifandraika amin’izany, ny fanomezana tombondahiny, fifanolanana tombontsoa, famotsiam-bola ary fanohintohinana ny fizotran’ny famotorana.
Nohazavain’ny Pac fa manan-jo hisafidy olon-tsotra na mpisolovava hanotrona azy amin’ny fanadihadiana atao ny voarohirohy rehetra na mizaka ny zom-pirenena malagasy na vahiny, araka ny And. 53 vaovao ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny paikady ady heloka. Samy tomponandraikitra ara-keloka amin’ny zavatra nataony koa ny rehetra, araka ny lalàna. Tsy misy fanenjehana ara-keloka azo atao amin’ny olona iray noho ny fandikan-dalàna nataon’ olon-kafa.
R. Nd.




