Mbola lavidavitra ny tena famirapiratana ho an’ny sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo sokajy « nafana » tamin’ny fakan-kevitra natao ny alakamisy teo koa ity seha-kanto iray ity. Misy vahaolana anefa avy amin’ireo mpisehatra.
Lalàna mifehy, rafitra misahana, fahaiza-manao, fitaovana, sns. Samy mbola ahitana olana avokoa izany, ho an’ny sarimihetsika malagasy. Vory lanona ireo mpisehatra, nandritra ny fakan-kevitra ho fanatsarana ny
tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, nataon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny alakamisy teo. Anisan’ireo nahitana feo niakatra sy tsy fitovian-kevitra sy fijery ary adihevitra nafana ny tao amin’ny sokajy sarimihetsika. Izay indrindra anefa ny tanjona, dia ny ivoahan’ny hevitra rehetra, hanapotserana ny vay niotrika sy hijerem-bahaolana ho an’ireo nampisy fifandonana teo amin’ny samy mpisehatra.
Niara-nanaiky aloha ny rehetra fa haverina dinihina ireo tolo-dalàna teo aloha, izay handrindra ny tontolon’ny sarimihetsika, ary efa zava-dehibe izay. Hitohy kosa ny dinika hijerena ireo vahaolana sy hanolorana sori-dalana mankany amin’ny fanatsarana amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ ny alalan’ny Ivon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara, na ISSM. Hatao ny alatsinainy 17 novambra izao izany, ho an’ny teknisianina, mpanatontosa ary mpilalao sarimihetsika. Ny 18 sy 19 novambra kosa no hanohy ny dinika ireo trano mpamokatra sy mpaninjara, samy ao amin’ ny ISSM hatrany.
Maro karazana ireo fangatahan’ny mpisehatra, manomboka any amin’ny fanovana na fanitsiana ny rafitra, hatrany amin’ny resaka karama mihitsy. Nisy ny fampitoviana amin’ ny rafitra any ivelany, izay azo hakan-tahaka eto Madagasikara. Hahatongavana amin’ izany, voaresaka ny fepetra takina amin’ny maha matihanina, miainga any amin’ny mpilalao, hatrany amin’ny mpanatontosa. Toa ny tamin’ ireo sehatra hafa, nampanantena ny minisitra fa handray sy hijery ireo tolo-kevitra avy amin’ny mpisehatra. Hosokajiana ireo vahaolana, ka izay fohy ezaka ary azo tanterahina dia hirosoana avy hatrany. Hatomboka kosa ireo lavitra ezaka, toy ny fikitihana ny lalàna mifehy sy ny rafitra. Mila fiovana mankany amin’ny fahatsarana, ary tena mila ezaka goavana be avy amin’ny mpisehatra tsirairay ao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika ihany koa anefa izany.
Zo ny Aina




