Tafiditra ao anatin’ny « Novembre numérique ». Ny sabotsy 15 novambra teo no nanatontosan’i Faragasy sy i Dilo (Eat My Butterfly) mpanakanto avy atsy amin’ny nosy La Réunion ilay fampisehoana an-tsehatra « Soa Meva ». Notazonin’i Faragasy hatrany ny aingam-panahy maha Malagasy azy teo amin’ny tontolon’ny famoronana. Nampiasa ireo zavamaneno vokatry ny fikarohana teto an-toerana tahaka ny amponga rahateo izy. Nohatevenin’i Eat My Butterfly tamin’ny fahaiza-manaony momba ny fikirakirana ny feo izany. Noporofoin-dry zareo fa afaka miaraka tsara ny kanto notrandrahina avy any ifotony sy ny maoderina. Iray amin’ireny ny hira « Masôva » manasongadina ny fisian’ny hery sy hazavana avy ao anaty.
Tsapa nandritra ity fampisehoana tao amin’ny IFM Analakely ity ny fahaiza-miaraka eo amin’i Faragasy sy i Dilo. Manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny hira izy ireo, indrindra eo amin’ ny fandrindrana ny hira sy ny fampiarahana izany amin’ireo fitaovana na ireo zavamaneno ampiasaina.
HaRy Razafindrakoto




