Kolonely Randrianirina Michaël: « Maika ny fanovana ny toe-tsaina »

Miandry ny fikaonandoha tarihin’ny FFKM ny fametrahana ny fototra hiorenan’ny Repoblika vaovao, hoy ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Mialoha izay anefa, mila fanavaozana maika ny mahakasika ny toe-tsaina sy ny toe-panahy.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety halina ny filo­han’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­­ni­rina Michael. Namafisiny ta­min’izany ny fe-potoana, tsy tokony hihoatra ny roa taona ny tetezamita. Fotoana entina mametraka ny fototra iore­nan’ny Repoblika andaniny, hanomanana ny fifidianana ankilany. Nohamafisany, ara­ka izany, fa zava-dehibe ny fi­haonambem-pirenena izay efa nankininy amin’ny FFKM ny fitarihana izany. Namba­ran’ny filoham-panjakana fa zava-dehibe ny fikaonando­han’ny Malagasy tsy ankanavaka. Misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra izany mba hahafahana miroso amin’ny tena fanavaozana.

Ny toe-panahy

Anisan’ny nanamarika ny resaka halina ihany koa, ny fanomezana’ny Filoham-panjakana lanja misimisy kokoa ny famahana ny olana sosialy mahakasika ny vahoaka. Manome volana vitsivitsy izy ahafahan’ny rehetra mitondra ny anjara birikiny. Zava-dehibe, ankoatra ny fifidianana sy ny fametrahana ny rafitra politika ny sosialy sy ny toekarena. Tsy mikely soroka ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Mahakasika izany. Manen­tana ny Malagasy rehetra izy. Miankina amin’ny tsirairay ny fanavaozana, hoy izy, dia ny fanombohana ny fanovana toe-tsaina sy ny toe-panahy.

Fampiharana ny lalàna

Teboka iray, nitondran’ny filoham-panjakana fanamarihana ihany koa ny momba ny fampiharana ny lalàna. Efa miezaka amin’izany ny fitondram-panjakana. Tsy misy valifaty politika izany eto Ma­dagasikara, hoy izy fa fanohizana ny asa nataon’ny fitsarana izany. “Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, eny fa na izahay aza”, hoy izy.
Mitsitsy
Marihina fa mbola anatin’ ny fitsitsiana tanteraka i Ma­dagasikara, ankehitriny. Na­hena avokoa ny volan’ny minisitera afa-tsy ny fanabeazam-pirenena. Efa jerena mano­kana ny fangatahan’ny sendika isan-tokony. Miroso tsikelikely ny famahana ny olana.

Mino

Partager sur: